« Crédit » tsy tonga – Novonoiny ny zanany ary nalevina ambodim-pibasy
Tena nampalahelo raha ity tranga niseho teto an-drenivohitra ity. Noho ny kapoka tafahoatra nataon’ny reniny an’ilay zanany dia maty tsy tra-drano ilay zazakely. « Crédit » tsy tonga no nahatonga ny loza.
Ny zoma lasa teo nasain’ilay renim-pianakaviana nandeha nividy fahana finday ny zanany tokana. Diso ve ilay nomerao nolazain’ilay zaza tamin’ny mpivarotra fa tsy tonga mihitsy izany fahana izany. Niaka-pofona anefa ilay renim-pianakaviana noho ny avy eo ka nikapoka mafy an’ilay zanany. Nahazo ny ankasarotana izany fikasihan-tanana izany ka niafara tamin’ny famoizana ny ain’ilay zaza.
Tsy nijanona teo anefa ny habibiana nataon’ity renim-pianakaviana ity. Tahotra ny iharan’ny fitsaram-bahoaka sa tahotra ny higadra fa tsy nolazainy tamin’iza na iza izany fahotana be nataony izany. Izy rahateo mipetra-drery miaraka amin’ilay zanany. Raha vao hitany fa tsy miaina intsony ilay zaza dia nafeniny tao ambany fandriana. Rehefa latsaka ary ny alina dia navoakany ilay razana ary naleviny teo ambodim-pibasy akaiky eo ihany.
Nisy nahatsikaritra anefa ny tsy fahitana an’ilay zaza ka nampilaza ny renibeny ny olona teo amin’ny manodidina. Rehefa nohadihadiana ilay vehivavy dia nilaza ny marina sady nanoro ny nandevenany an’ilay zaza ka voatery nofongorana ilay faty ary nalevina eny amin’ny fasan-drazana ny alatsinainy teo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







