Ambatobe – Vadina mpitandro filaminana mivarotra toaka gasy
Velon-taraina ny mponina ao Ambatobe manoloana ny fandikan-dàlana ataona vadina mpitandro filaminana iray. Mikorontana tanteraka ny fiaraha-monina noho ny fisian’ity toerana fivarotana toaka gasy ity. Maro ny olona tsy mponina ao amin’io toerana io no tonga mivezivezy sy mitabataba rehefa avy misotro toaka.
« Miteraka asan-jiolahy ny fahamaroan’ireo olona mamo be dia be ireo. Io ihany koa no mahatonga ny vaky trano sy ny fanendahana ary sinto mahery misesilany aty aminay », hoy ny mponina iray eny an-toerana.
Efa nisy ihany ny fitarainana nataon’ireo mponina tany amin’ny manam-pahefana momba io fivarotana toaka voararan’ny làlana io araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao fa tsy nahitam-bokany izany.
« Sanatria ve ny mpitandro filaminana natao hiaro ny madinika indray ve no miaro sy miray tsikombakomba amin’ilay mpivarotra », hoy hatrany ity loharanom-baovao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







