Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Hidona amin’ny pôtô

Hanahirana ity herinandro ity raha ny zava-hitranga no jerena satria saika mitontona amin’ity avokoa ny fanapahan-kevitra maro hiankinan’ny ho avin’ny firenena. Ny tsy azo ialana amin’izany dia amin’ity no hahafantarana na hisy ihany na tsia ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaomininaly heverina ho tontosaina amin’ny faran’ny volana izao. Raha tena ho raikitra tokoa mantsy ireo fifidianana ireo dia hanomboka ny alakamisy ho avy izao ny fampielezan-kevitra. Hatreto aloha dia tsy mbola misy azo antoka fa hisy ny fifidianana satria miankina amin’ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny fitondram-panjakana ihany izany. Ny mpitondra anefa dia tena hita fa nanao fanahy iniana tsy hiresaka io fifidianana io mihitsy efa herinandro maro izay. Marobe ny fivoahana tany amin’ny faritra nataon’ny filoham-pirenena fa tsy nanipy teny mikasika ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana mihitsy izy tamin’ireo kabary nataony. Manampy trotraka izany dia mangataka ny hanemorana ireo fifidianana ireo ihany koa ny maro an’isa amin’ireo solombavam-bahoaka eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Izany hoe raha ny zava-misy no jerena amin’ny saina tsy miangatra dia tsy tomombana ny fikarakarana fifidianana amin’ny 31 jolay. Mila mandray fanapahan-kevitra haingana mialohan’ny alakamisy izao, noho izany, ny Fanjakana mba hamaritana na hisy tokoa ny fifidianana na tsia. Handroso maty raibe ary hihemotra maty renibe anefa izy ireo satria samy tsy hitondra voka-tsoa izay fanapahan-kevitra ho raisina eo. Ny firosoana amin’ny fifidianana dia midika fa tsy nihaino ny soso-kevitra avy any amin’ny antoko politika izay manahy ny mety hisian’ny hala-bato ny Fanjakana. Izany hoe na tiana na tsy tiana dia atahorana hiteraka disadisa hanampy trotraka ny efa misy amin’izao fotoana izao izay voka-pifidianana eo. Mety hiteraka fanafoanana ilay satan’andraikitra eo amin’ny samy andrim-panjakana ihany koa ka tsy hitondra fitoniana ara-politika. Ambonin’izany dia mariky ny fiafaran’ny fitondram-panjakana mijoro raha toa kandida avy amin’ny antoko ivelan’ny fitondrana no mandresy eto an-drenivohitra. Azo antoka anefa fa tsy maintsy ho azon’ny antoko hafa io raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no jerena. Sady efa tsy nahovoka fa resy hatrany ny filoha ankehitriny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany sy faharoa teto an-drenivohitra, no mbola lasa fahavalon’ny MAPAR izay antoko matanjaka nanohana azy tamin’izany fotoana izany ihany koa. Izany hoe azo sokajiana fa tsy misy mpanohana ny fitondrana intsony eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao. Porofon’izany dia tsy sahy miseho vahoaka eto ny mpitondra fa any an-toeran-kafa, toy ny an’i Fianarantsoa, no manao izany fa misy manohana.

Ankoatra izany dia hanaporofo ny tsy maha-matotra ity fitondram-panjakana ity ny mety handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra mikasika ny hanemorana ny fifidianana. Efa nanizingizina ny praiminisitra fa tsy maintsy raikitra amin’ny 31 jolay ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Raha sanatria tsy izay no mitranga ka hiverina amin’ny teniny ny mpitondra dia ho afa-baraka ary ho lazain’ny olona fa mpanao fampanantenana poak’aty indray. Izany hoe tsy afaka ny hanatontosa izay rehetra nampanatenainy akory fa toy ny miteniteny foana. Ambonin’izany dia hitombo ny disadisa sy korontana eny anivon’ny kaominina rehetra izay nosoloina delegasiona manokana ny mpitantana azy. Ho raisin’ireo ben’ny tanàna am-perin’asa ho kajikajy politika hanilihana azy ireo amin’ny toerany fotsiny ny mody nandrosoana ny datim-pifidianana nefa avy eo nofoanana tamin’ny fotoana farany. Tena sarotra ary stratejika be ho an’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ity herinandro ity satria fanapahan-kevitra kely fotsiny dia mety hampitsimbadika zavatra maro. Ankoatra io resaka fifidianana io mantsy dia marobe ireo tsindry ataon’ny mpanao politika sy ny sendika maro amin’ny fitondram-panjakana. Hanomboka anio izao ny fitokonana lavareny eny amin’ny ambaratonga ambony ary hitohy ihany koa ny an’ny mpiasan’ny fananan-tany sy ny mpiasain’ny Air Madagascar. Ankoatra ireo dia efa manambana ny JIRAMA, ny mpitatitra, ary ny avy amin’ny sehatra maro samihafa. Manampy trotraka izany rehetra izany ny fitakian’ny solombavambahoaka ny handravana ny governemanta ka izy ireo no hanendry ny praiminisitra. Tena ho mafy amin’ny fitondram-panjakana ity herinandro ity ka ho hita eo izay fahaizan’izy ireo mamaha olana. Ny rariana dia ny tsy hisian’ny korontana izay hisy fiantraikany ratsy amin’ny fiainam-bahoaka.

Ravalo tsy Manana

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre