Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Maevatanana – Mpitrandraka volamena nalain’ny jiolahy an-keriny

Tany Manakana ao amin’ny distrikan’i Maevatanana no nisehoan’izany ny alin’ny alakamisy teo. Andian-jiolahy mitam-basy no tonga tao amin’io tanana io handroba ireo mpitandraka volamena.  poa-basy variraraka no re nandritra ny fandalovan-dry zalahy tao an-toerana sady nandrahona ireo lasibatra mba hamoaka ny vola sy ny vokatra azon’izy ireo. Nilaza kosa ireto farany fa mbola tsy manana izay omena fa mbola mangady. Tsy te-hahalala izany anefa ireto jiolahy fa nodarohiny tamin’ny vodibasy ireo mpangady volamena ireo. Tsy vitan’izay fa mbola nalain’ireo an-keriny ny mpitrandraka miisa sivy.

Afaka fotoana fohy dia navotsotr’ireo olon-dratsy ny valo tamin’izy ireo rehefa avy norasarasaina tamin’ny antsy sy nokapaina famaky ny vatan’ireo lasibatra fa ny iray kosa mbola notazomin’izy ireo. Ity farany tsy votsotra raha tsy manome vola 50 tapitrisa ariary ireo namany. Ireto navotsotra kosa natao hampilaza sy hanangona ireo lelavola ireo miaraka amin’ny olona ao an-tanana fa raha tsy izay ho vonoin’ireo jiolahy ny namany.

Nampilaza ny mpitandro filaminana avy hatrany ireto mpitandraka raha vao vantany tonga tao an-tanana ary efa misokatra ny fanadihadiana. Etsy ankilany kosa, efa manangona ny vola tadiavin’ireo jiolahy ireo mpangady volamena, vola izay fantatra fa hanaovana velam-pandrika an’ireo olon-dratsy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre