Mahajanga – Renim-piakaviana notsindromin’ny adala antsy
Ny alarobia teo tamin’ny 3ora tolakandro no nitrangan’izany teny amin’ny fiantsonana rezionaly eny Mahajanga. Ramatoa iray tonga miala sasatra tao an-toerana no nitsondrimin’ny olona ny antsy teny amin’ny sandriny. Lehilahy tsy miakanjo ambony fa manao kilaoty kely no nahavanona ny loza. Araka ny fijerana azy dia tsy dia salama saina izy io. Teo am-pividianana voandalana entina amin’ireo zanany ity ramatoa ity no niharan’izany herisetra izany. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly ity farany mba hahazo fitsaboana.
Ny mahagaga anefa dia tsy vao sambany io ramatoa no nisy nikasa hamono tahaka izao. Araka ny fitantarany dia efa nisy nitifitra teny amin’ny trano fonenana izy. « Isaky ny tonga miala sasatra aty Madagasikara aho dia misy mitady hifofo foana ny aiko. Manana olana amin’ny fianakaviako aho ka tsy fantatro raha misy ifandraisany izany », hoy ny niharam-boina.
Nametraka fitoriana ilay ramatoa ary taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia efa fantatra ny ati-doha nikotroka izao famonona olona izao.
Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao ary miandry ny fitsarana azy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







