Tsimbazaza – Fiaran’ny mpanakanto nifandona tamin’ny Kamiao
Ny sabotsy maraina no nitrangan’izany teny Tsimbazaza. Fiaran’ny mpanakanto iray fanta-daza no fantatra fa nifatratra tamin’ny kamiao « La voirie ». Havizanana, tsy fahampiana torimaso niaro hamamoana no fantatra fa nahatonga ny loza avy amin’ireo olona akaiky io mpanakanto io. Izy ihany koa tsy tao anatin’ilay fiara tamin’ny loza niseho fa ny mpamiliny sy olona roa hafa. Naratra mafy izy telo, ary ny iray tamin’izy ireo voatery nampidirina ao amin’ny toerana fanaraha-maso akaiky ny fahasalamana noho ny dona mafy nahazo azy. Ny tao amin’ilay kamiao kosa tsy nisy naratra raha toa ka nisy fahasimbana kely ilay fiara vaventy. Tsy vao sambany fa efa in-telo izao ity mpanakanto fanta-daza ity no tratran’ ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao. Efa taona maromaro lasa izay no nandona mpandeha an-tongotra izy ity ka namoizana ain’olona ary nigadra telo volana teny Antanimora. Taorian’izay ihany koa dia efa nandratra mpandeha an-tongotra ity mpanakanto ity.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







