Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Toliara – Mpivaro-tena nangalatra 4 000 euros

Tovovavy tompon-dakan’i Madagasikara taranja kick-boxing ny taona 2013 lasa mpivaro-tena nangalatra 4 000 euros, nitsoaka niaraka tamin’ny vola be, voasambotry ny polisy tao Andranovory.
Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra. Tovovavy iray 21 taona, mpiangaly haiady kick-boxing ary efa tompon-dakan’i Madagasikara, ny taona 2013 (sokajy -55 kg) no nangalatra vola be mitentina 4 000 euros (12,4 tapitrisa ariary) an’ny teratany vahiny iray.
Raha ny loharanom-baovao dia miasa ary tompon’andraikitra ambony ao amin’ny presidansa ity vazaha very vola be tao amin’ny hotely lehibe iray eto an-drenivohitra nitoerany ity, ny alin’ny alakamisy teo. Nandeha avy hatrany ny fikarohana an’ilay tovovavy. Afak’omaly hariva ny tenany no voasambotry ny polisy ao Toliara (commissariat central) notarihan’ny kaomisera Rufin Lebiria, tany Andranovory (76 km tsy hiditra ny tanànan’i Toliara) amin’ny lalam-pirenena fahafito iny.

Ar 4 tapitrisa sisa tratra teny aminy

Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia saika hitsoaka niaraka tamin’ny vola be avy nangalariny hihazo an’i Toliara ity tovovavy mpivaro-tena sady mpiangaly haiady kick-boxing ity izao tra-tehaka izao, tao anaty taksiborosy nandehanany. Rehefa nosavaina dia nahatratrarana lelavola 4 tapitrisa ariary teny aminy. Ny ambim-bola kosa raha ny fanazavana azo dia efa laniny nilibana sy nividianany zavatra hafa. Rehefa nofotorana kosa ilay tovovavy dia noho ny tsy fisian’asa sy vola no nanosika azy hivaro-tena na dia fanta-daza amin’ny fikatrohana ny taranja kick-boxing.
Tsy sanatria miaro ny olon-dratsy fa itarafana ny fanaovana ankilabao ny tanora malagasy nitondra avo ny voninahi-pirenena ity tranga ity. Ny kibo tsy mba lamosina e !

Eric Toliara

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre