Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Mahajanga – Renim-pianakaviana hita faty ambonin’ny « pelle mécanique »

Tao Tsaramandroso ambony ao Mahajanga no hita faty teo ambonin’ny « pelle mécanique » ny renim-pianakaviana iray ny marainan’ny alahady teo. Nandritra ny fijerena ny razana dia  nahitana rangotra teny amin’ny tarehiny ary ahiana ho sakaizany no nahavanon-doza.

Araka ny fantatra dia ny harivan’ny sabotsy izy ireo no hitan’ny olona farany niaraka nisotro toaka tamin’ny toerana natokana ho amin’izany tao Mahavoky. Efa samy mamo dia niady izy roa hany ka nitsoaka avy tao amin’ny toerana fiasany ilay ramatoa ary nanaraka avy ato aoriana ilay rangahy. Raikitra noho izany ny fifanenjehana ka niafara tamin’ny daroka izany.  Noho ny vono sy toaka nifangaro anefa dia torana tsy nahatsiaro tena ilay ramatoa.

Ny marainan’io dia hitan’ny lehilahy mpampiasa ilay rangahy teo amin’ny tokontaniny ilay ramatoa efa mivalampatra eo ambonin’ilay « pelle mécanique » saingy noheveriny fa mbola matory. Nofohaziny ary teo vao taitra ity farany fa efa vatana tsy miaina intsony ity manoloana azy ity.

Tamin’ny fizahana nataon’ny Bmh no nahafantarana fa maty voakasi-tanana ilay ramatoa noho ny mangana be dia be hita teo amin’ny vatany izay miampy rangotra.

Notazomin’ny mpitandro filaminana ilay sakaizany sy ilay rangahy nahita ilay razana. Nandritra ny famotorana ilay sakaizany dia nitantara ny zava-misy izy. Tamin’ny filazany dia nokapohiny ity vehivavy sipany ka lavo tamin’ny tany. Tsy nahatsiaro tena dia nampiakariny teo ambonin’ilay masinina be noho ny avy eo.

Efa fanaon’izy ireo ity miady ity araka ny fanazavan’ny havan’ilay ramatoa ary mitsoaka any amin’izy ireo foana ilay vehivavy. Nilaza ny tsy hipetra-potsiny fa hitory an’io rangahy io ny fianakavian’ny maty.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre