Toamasina – Teratany karana nisandoka ny anaran’ny SEG
Fisolokiana avo lenta raha ity vitan’ny lehilahy metisy karana izay nisandoka ny anaran’ny Seg tao Toamasina ny zoma 10 jolay lasa teo. Mpanakalo vola vahiny eny Ampasimazava ny asany ary ny andron’ny zoma io dia nikarakara entana havoaka teny amin’ny seranam-tsambo ao Toamasina izy ity. Nifanehitra tampoka tamina tompon’andraikitra amin’io orinasa misahana ny fampidirana sy famoahana entana izay manana vola be aminy izy. Nitaky ilay vola rahateo ity farany.
Tsy naka sarotra anefa izy namaly ka nilaza fa mikarakara famoahana ny entan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena (Seg) ; noho izany fiaraha-miasa amin’izy roa tonta izany dia hahazo vola amin’io manam-boninahitra io izy ka amin’izay no hanefany ny trosany. Tsy natoky izany anefa ilay manam-bola aminy ka niantso mivantana an-tariby io jeneraly sy nanazava taminy ny fandehan-
javatra. Tezitra tamin’izany fisolokiana amin’ny anaran’izany ilay jeneraly ka nampaniraka haingana ny zandary hisambaotra io teratany karana io hany ka noraisim-potsiny ity farany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







