Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Lalam-pirenena faha-5 – Lehilahy maty nofaohin’ny Mazda

Ny tolakandron’ny zoma lasa teo no nisehoan’izany, tamin’ny 3ora sy sasany tao amin’ny tananan’Ankariera, amin’iny lalam-pirenena faha-5 iny. Lehilahy 40 taona any ho any no maty tsy tra-drano nofaohin’ny fiara marika Mazda. Nandeha tongotra nanaraka sisin-dalana ity lehilahy raha nodomin’ilay fiara avy any afara. Nirimorimo mafy ilay fiara ka tsy nahatazona ny familiana intsony hany ka nifaoka ilay rangahy araka ny voalaza ny loharanom-baovao.

Vao nahita ilay rangahy nitsirara teo amin’ny tany ilay mpamily dia tsy nijanona fa nandositra avy hatrany ary tsy misy ahafantarana ny momba azy sy ilay fiara nentiny. Tahotra ny iharan’ny fitsaram-bahoaka angamba!!!

Natolotra ny havany ilay razana rehefa avy nozahan’ny dokotera sy ny mpitandro filaminana.

Efa mandeha kosa ny fikarohana ilay mpamily. « Ny tsy fandraisana andraikitra nataon’ilay mpamily fotsiny dia ampy hampigadra azy », hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana.  « Ny tokony nataony dia ny mitolo-batana mba hampihena ny sazy miandry azy sy mba hialana amin’ny fitsaram-bahoaka », hoy hatrany ity mpitandro filaminana ity.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre