Ambilobe – Mitaraina amin’ny fahalafosan’ny rano ny mponina
Taorian’ny fivoriana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao amin’ny distrikan’i Ambilobe mahakasika ny tsy fahampian-drano ao an-toerana dia nanomboka omaly alatsinainy ny fandehanan’ireo paompy vaovao izay napetraka isaky ny fokontany tsirairay. Miisa 76 ireo paompy ary efa misy ny fandaminana napetraka mahakasika ireo olona hitantana izany.
Misokatra amin’ny 5ora maraina ka hatramin’ny 7ora hariva isan’andro ny paompy ary mihidy kely ny atoandro. Ny tanjona dia ahazoan’ireo mponina rano fisotro madio sy ara-pahasalamana. 100 ariary isaky ny « bidon » mavo ireny sy ny « seau » lehibe iray ary « seau » madinika iray isaky ny mandeha eny amin’ny paompy no tsy maintsy aloan’ireo olona maka rano. Lafo amin’ireo mponina anefa izany 100 ariary ka betsaka ireo milaza ny tsy haka rano eo raha tsy tonga ny volana oktobra satria amin’io fotoana io no ritra ny vovon-drano.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







