Vous êtes ici :

Lundi 13 Mai 2024

ombre

Voatoraky ny firaka !

Sady mahatsikaiky no mampalahelo nefa tena mahamenatra ny nanjo ny filoha malagasy tamin’ilay resaka bolongam-bolafotsy hita tany anaty sambon’ny jiolahin-dranomasina tany amin’ny Nosy Ste Marie. Nanaovana hetsika manokana nanasana ny filoham-pirenena ary navoaka nanetriketrika tamin’ny fampahalalam-baovao rehetra maneran-tany mantsy ny fanolorana ilay nolazaina fa bolongam-bolafotsy ho an’ny filoha malagasy. Henin-kaja enim-boninahitra tokoa andriamatoa filoha hajaina satria nirehareha fa manana harena tsy hita pesipesenina i Madagasikara. Kinanjo, volana vitsivitsy aty aoriana vao fantatra fa hay firaka no nomen’ireo mpikaroka amerikanina azy. Tena fanimbazimbana sy fanaovana tsinontsinona ny filoha malagasy iny nataon’ireo mpikaroka iny ary raha ny tokony ho izy dia mila manokatra fanenjehana ara-pitsarana mahakasika izany ny fitondrana malagasy. Mba hevero kely anie hoe i Barack Obama no toloran’ny mpikaroka malagasy bolonagam-piraka tsy misy vidiny dia toy inona no zava-hitranga.

Tsy nampoizina ary nataon’ny olona rehetra maneran-tany izay naharaka tsara ity raharaha ity fihomehezana  ny nanjo ny filoha malagasy nefa kosa mifono lesona lehibe ho an’ity firenentsika ity. Tsy mahalala akory izay vakoka an’ny malagasy mantsy ary tsy mahavita miaro izany na ny mpitondra na ireo milaza azy ho manam-pahaizana teratany. Tomba-maso sy fitsapan-tanana fotsiny dia efa tokony ho mahatsikaritra ireo manam-pahaizana malagasy fa tsy volafotsy izany ilay hita tao anaty sambo. Nahagaga ihany koa fa toa ny mpikaroka frantsay indray no sempotra sy nandany andro nanao fanadihadiana mikasika izay tena izay amin’ilay vy. Tsy misy manam-pahaizana manokana mahay izany ve eto Madagasikara?

Porofo iny tranga iny fa tena ataon’ny olona tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Marobe ireo fanambarana diso hamoahana an-tsokosoko ny fananan’ny malagasy ary mandalo fotsiny eo ambany mason’ny mpitondra izany. Ireto farany dia tsy mahay ny resaka ara-tsiantifika ary ny malagasy manam-pahaizana kosa dia voavidin’ny vahiny ambongadiny. Hita miharihary eo amin’ny seha-pikarohana ara-tsiantifika maro toy ny tontolo iainana, ny harena an-kibon’ny tany sy ny fitrandrahana vakoka fa ataon’ny vahiny fitaovana fotsiny ireo mpikaroka malagasy. Omen’ny oniversite vahiny vatsim-pianarana izy ireny ka rehefa mahay tsara dia averina eto Madagasikara hanao fikarohana mikasika ny harem-pirenena. Izay vokatra rehetra azo amin’izany anefa dia lasan’ny vahiny avokoa ny tahirin-kevitra ary lazaina fa ny manam-pahaizana vahiny no nanao ny fikarohana.

Amin’ny lafiny iray dia tsy afa manoatra ireo manam-pahaizana malagasy noho ny fahantran’ny firenena. Tsy maintsy manaiky ny fepetra sy ny fanambakana ataon’ny vahiny raha te hahavita fikarohana sy hiroso amin’ny fahaizana. Ny fitondram-panjakana rahateo tsy hanome vola hanaovana fikarohana izany fa ny fantany dia ny hitavana izay vokatra kely azo eo. Tsy mahagaga noho izany raha nomen’ny olona zavatra hosoka nefa tsy mahafantatra akory fa dia faly notolorana fotsiny. Raha ny filazan’ireo mpanao fikarohana maneran-tany momba ny vakoka an-dranomasina dia anisan’ireo sokajiana ho nisy harem-be tsy hita pesipesenina ireo sambo rendrika efa an-jato taonany any amin’ny fari-dranomasina manodidina ny nosy Ste Marie. Izany hoe tokony ho nisy volamena sy zava-tsarobidy marobe hita tao anatin’ireo sambo ireo. Takelam-piraka anefa no nolaizain’ireo amerikanina fa hitany tao. Dia iny no nomeny ny filoha. Ity farany rahateo tsy mba nihevitra akory ny hampanao fanadihadiana mikasika ny zava-nisy marina tao anatin’ireo sambo no tsy nampanao fitsirihana ilay vy natolotra azy fa dia faly fotsiny nomem-boninahitra.

Mahavery nefa matetika io fitiavam-boninahitra io satria marobe ireo mpamitaka sy mpihatsara ivelan-tsihy ka manosika any amin’ny fahaverezana. Porofon’izany ity resaka volafotsy nivadika ho firaka ity. Mbola toy izany ihany koa ireo mpandoto rano sy mpanipy hoditr’akondro eo anivon’ny fitondram-panjakana. Efa im-betsaka ny fitondrana no afa-baraka tamin’ny fanapahan-kevitra an-kamehana noraisina nefa niverenana indray avy eo. Anisan’ireny ny fanagadrana maro samihafa toy ny nanjo ny mpanao gazety, ny mpiasan’ny JIRAMA, ny mpiasan’ny Air Madagascar sy ny mpianatra teny Ankatso. Santionany ireo fa misy mpitoraka firaka ny filoha ao amin’ny fitondrana ao. Mila esorina izy ireny fa lasa fanetribe ny firenena fotsiny.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre