Vous êtes ici :

Dimanche 28 Avril 2024

ombre

Toliara – grevin’ny Seces – Lasa oniversite maty Maninday nanomboka omaly

Lasa oniversite maty ny oniversiten’i Maninday Toliara noho ny grevin’ny sendikan’ny Seces. Mitokona nanomboka omaly ireo mpampianatra mpikaroka any amin’ny oniversite any Toliara mitaky amin’ny handoavan’ny fanjakana ny tambin-karaman’izy ireo telo samihafa,izay vita sonia ny taona 2010, izay vola anjaran’izy ireo mivoaka isan-taona amin’ny kitapom-bolam-panjakana, kanefa nomena olon-kafa sy nampiasaina amin’ny zavatra hafa foana, tsy tonga any amin’ny karaman’izy ireo.

 

Na eo ny ramatahora  isan-karazany, tsy hampianatra mihitsy

« Manao tsinotsinona anay mpampianatra mpikaroka ny fanjakana satria tsy manam-basy ve izahay ? Noho izany, tsy misy misokatra ny oniveristem-panjakana rehetra ary tsy hiverina ny fampianarana, raha tsy tonga ao am-paosinay ny volanay, na dia eo ny ramatahora isan-karazany », hoy ny fanambarana novakian’ Atoa Rahary Jean Christophe, filohan’ny sendikan’ny Seces sampana Toliara, nanoloana ny mpanao gazety omaly. Nanizingizina ny avy ao amin’ny Seces fa tsy misy loko politika ny tolom-pitakian’izy ireo.

 

Misy andiana mpianatra te-hianatra,  ahiana ny fifadonana ?

Nanamarika kosa ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, ny Pr Dina Alphonse, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, fa na eo aza ny fitokonan’ireo mpampianatra mpikaroka, dia tsy hisy ny fampodiana mpianatra any amin’ny tany niaviany. Amin’ny herinandro ambony io, hoy ny Pr Dina Alphonse, dia hozaraina amin’ireo mpianatra mahafeno fepetra ny vatsim-pianarana telo volana miampy fampitaovana. Raha ny vaovao voaray hatrany dia misy amin’ireo mpianatra te-hianatra manohitra ny grevin’ny Seces. Manahy ny rehetra amin’ny mety hisian’ny fifadonana noho ny tsy fitovian-kevitra ?

 

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre