Ataovy lalao madio !
Raha tsy misy ny sampona dia efa raikitra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsainan’ny kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara rahampitso toy izao. Na dia efa nanome toky ary mantsy ireo mpikarakara ny fifidianana dia mbola mailomailo sy misalasala be ihany ireo antoko nanolotra kandida satria rehefa dinihina amin’ny antsipiriany dia hita fa tsy tomombana zato isan-jato ny fikarakarana. Vitsy dia vitsy ihany koa ny vahoaka mahafantatra ny tena fizotra ity fifidianana ity. Raha ho raikitra tokoa izany dia ho sahirana ihany ireo kandida satria ankoatra ny fampielezan-kevitra dia voatery hanentana ny olona hanefa ny adidiny hifidy no mbola hampianatra ny fomba fandatsaham-bato ihany koa.
Ireo tsy fahatomombanana rahateo no mahatonga ny antoko politika maro hihevitra fa tsara kokoa ny hanemorana ny datim-pifidianana mba isorohana ny mety hisian’ny hosoka sy ny hafetsifetsena hanodinkodinana ny safidim-bahoaka. Mora hangalaram-bato rahateo ny fifidianana ifotony toy itony koa samy mailo ny rehetra. Vao maika manampy trotraka ny tsy fitokisan’ny mpifaninana amin’ny fitondram-panjakana ny fanoloana ireo solontenam-panjakana rehetra eny ifotony. Mazava ho azy fa olona itokisan’ny mpitondra ireo rehetra vao notendrena matoa nomena toerana. Izany hoe tsy misy antoka mazava mihitsy afaka omen’ny mpitondra fa tsy hitongilana ireny olom-boatendry ireny. Amin’izao fotoana izao anefa dia olom-boatendry avokoa no mitantana eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pitondrana sy ny vondrom-paritra hitsinjaram-pahefana rehetra miainga eny amin’ny kaominina sy faritra iray mipaka hatrany amin’ny distrika sy kaominina ary fokontany.
Raharaham-pirenena no hatrehina ary hamaritra ny tohin’ny tantaran’i Madagasikara ireo fifidianana atao amin’ny 31 jolay ireo koa tsy mahagaga raha samy mailo sy mitaky ny mangarahara ny rehetra.
Tsy matahotra izahay fa ataovy mazava kosa ny fitsipi-dalao hoy ny ankamaroan’ireo mpanao politika. Ny fihoaram-pefy sy ny fanararaotam-pahefana mba hamadihana ny voka-pifidianana no tena atahoran’ireo kandida ivelan’ny fitondrana. Iaraha-mahita sahady rahateo ny fihetsiky ny filoham-pirenena izay tsy mitsahatra mitety faritra sy manao fitokanana zava-bita tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa izay. Mazava ho azy fa mitodika amin’ny fandokafana ny kandidam-panjakana ireny ataon’ny filoha ireny. Sady midoka ny fitondrana mantsy izy no manaratsy ny mpanohitra amin’ny kabary ataony. Izany hoe efa manasokajy sahady ireo kandida.
Hita taratra ihany koa fa hiraradraraka ny fividianana ny safidim-bahoaka amin’ny alalan’ny fizarana vola sy sakafo ary karazan-javatra samihafa. Tsy hita fototra mazava rahateo izay tena lalàna mifehy izany ary ialan’ny Ceni-T bala foana rehefa misy ny mangataka fanazavana. Mazava ho azy anefa fa ny antokon’ny fitondrana no tsy maintsy manana atolotra ireo mpifidy ary hirehareha amin’izany. Misy mihitsy aza amin’ny kaominina maro no efa nizara akanjo sy kojakoja samihafa nandritra ny fotoana vitsivitsy izay. Manaporofo ireo rehetra ireo fa mbola tsy manomboka akory ny fampielezan-kevitra dia efa tsy voahaja sahady ny fitsipi-dalao. Io antony io no mampiasalasa ny antoko nandrotsaka kandida. Na izany na tsy izany aza anefa dia hita fa tsy dondrona ny vahoaka malagasy ary tsy azo ahodinkodina amin’ny fizarana patsa indray mahandro ny safidy. Ho hita taratra izany eto an-drenivohitra satria efa azo antoka sahady fa kely ny fanantenana handresen’ny antokom-panjakana. Na ny HVM aza menatra tsy sahy nanolotra kandida ofisialy fa mody mialokaloka any ambadiky ny kandida tsy miankina. Teo amin’ny tanjany tanteraka ary nifehy ny rafitra rehetra ary ity kandidan’ny HVM ity tsy nahomby ary resy tamin’ny salan’isa mazava tamin’ny taona 2007 koa sarotra ho azy ny hambabo indray ny fon’ny vahoakan’Antananarivo renivohitra. Raha mazava ny fitsipi-dalao dia azo antoka fa tsy hahomby ny antokon’ny fitondrana manerana ny Nosy. Ataovy mazava io fitsipi-dalao io dia ho hita eo izay tena mamim-bahoaka!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







