Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Toliara – Ankizivavy 5 taona voadonan’ny fiara miady amin’ny fahafatesana

 Misetratsetra ny vahiny eto amintsika. Ankizivavy vao dimy taona monja, zanaka zandary, avy nirava nianatra handeha hamonjy fodiana no torana tsy mahatsiaro tena nodomina fiara tsara tarehy iray nandeha mafy nentina tovolahy karana, omaly hariva tamin’ny 6 ora, teo ampitan’ny biraon’ny Radio televiziona Soatalily (RNM, TVM Toliara). Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza dia nisongona fiara hafa teo alohany ka nisisika niankavia ity fiara nentina teratany karana ity. Tsy nahatana ny familiana izy ity ka nifatratra tany amin’ilay zaza nandehateo ambony « trottoir ».

 

Nandeha mafy ary nisongona fiara teo alohany

Mbola hita eo amin’ny arabe sisiny ankavia ny dian’ny « pneu » mainty (6 metatra) tamin’ity karana ity nanitsaka « frein » saika hijanona. Noho ny dona mafy nahazo an’ilay ankizivavy dia torana tsy nahatsiaro izy, ka novonjen’ny teo amin’ny manodidina nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Raha ny vaovao voaangona hatrany dia fomban’ity karana ity ny misetrasetra amin’ny fiara entiny. Noho ny tahotra ny hatezeram-bahoaka dia nitsoaka ilay karana ary navelany teo ny fiarany. Raha ny vaovao azo farany tamin’ny ora nanoratanay dia mbola miady mafy amin’ny fahafatesana ilay zaza.

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre