Sambava – Lehilahy maty kilan’ny afo
Ny zoma alina tamin’ny 8ora no nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Antanifotsy, ao amin’ny distrikan’i Sambava. Trano hazo miisa dimy no indray kilan’ny afo tao amin’io toerana io ary lehilahy iray no namoy ny ainy tamin’izany. Ny fikasoahana herinaratra no fantatra fa nahatonga ny loza tao amin’ny tranon’io lehilahy maty io. Ity farany izay mifanolo-bodirindrina amin’ireo efatra ambiny. Mamo ity lehilahy ity tamin’izany ora nitrangan’ny loza izany. Noho ny hamamoana tafahoatra dia resin-tory tao izy tsy naheno ny zavatra niseho. Mihidy avy any anatiny ihany koa ny varavarana ka nanano sarotra ny fokonolona ny famonjena azy. Rehefa voapitsoka ny varavarany dia efa vatana tsy miaina no navoakan’ny olona tao ary tsy vitan’izany fa efa may kila forehitra.
Ireo fokonolona no nifanome tanana namono ny afo. Trano hazo koa ireo trano ireo ka nalaky niparitaka ny afo ary tsy voatana mihitsy izany. Ny fitsokan’ny rivotra ihany koa nanasa-
rotra ny famonoan’ny afo. Adiny roa mahery taty aoriana vao voafehy tsara izany fahamazaina izany. Fianakaviana roapolo eo ho eo no fantatra fa tsy manan-kialofana amin’izao ary mahatratra any amin’ny 20 tapitrisa ariary ny fahavoazana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







