Tovovavy maty tao amin’ny dobo filomanosana – Hisy fiantraikany amin’ilay trano fisakafoanana
Hisy fiantraikany amin’ity trano fisakafoanana ity iny nahafatesana olona iny sady mateti-pitranga amin’io dobo filomanosana io ary hipaka amin’ny lafiny fizahantany mihitsy aza. Ankoatra ny raharaham-pitsarana miandry azy dia mety hiafara amin’ny fanafoanana ny fifanarahan’ilay teratany vahiny mitantana ilay toeram-pisakafoanana sy ny kaominina ny fampiasana an’ity foto-drafitr’asa ity. Tsy maintsy atao araka izay azo atao ihany koa ny fanerena an’io terantany vahiny io, hamerina amin’ny laoniny ny endriky ny « piscine » teo aloha ary tokony hanaovana fomban-drazana amin’io faritra io noho ny fiverimberenan’ny fahafatesana olona ao amin’io dobo filomanosana io. Tena tsy ho mora ny hahazo an’ity trano fisakafoanana iray lehibe eo amoron-dranomasinan’i Toamasina izay nahafatesana zanaka mpanao politika iray ao an-toerana.
Raha tsiahivina dia maty tsy tra-drano ny tovovavy 18 taona raha nilomano tao anaty dobo filomanosana tao amin’ny trano fisakafoanana « Le bateau ivre » ao Toamasina ny alatsinainy 6 jolay lasa teo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







