Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Tsaratanàna – Polisy iray lavon’ny bala

Nandritra ny fifanjevona nisy teo amin’ny polisy sy ireo jiolahy mpanakan-dalana tany Tsaratanàna dia polisy iray no maty voatifitra raha olona telo hafa naratra mafy, ao anatin’izany ny kaomisera sy ny sivily iray izay tafara-dalana tamin’izy ireo. Ny alatsinainy tamin’ny 11ora atoandro no nisehoan’izany tao Berere, 50 kilometatra tsy hiditra an’i Tsaratanàna. Polisy avy namita iraka tany Mampikony izy ireo izao nosakanan’ny jiolahy izao rehefa niverina, araka ny vaovao voaray. Vao nahatazana azy ireo avy lavitra ireo olon-dratsy dia nanapoaka basy avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana tamin’io fotoana io saingy lany ny balan’ireo mpitandro filaminana ka voatifitra tamin’ izany ny polisy iray, ka nitarika ny fahafatesany.

Ilay kaomisera kosa voa teo amin’ny kibony ary nahitana diam-bala miisa efatra ary nisy ihany koa teo amin’ny lohany. « Tsy nisy zavatra lasan’ireo jiolahy tany amin’ireo polisy fa vola mbola tsy fantatra kosa ny isany no lasa tamin’ilay sivily », hoy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena. Ireo naratra nandritra ny fanafihana dia fantatra fa efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ao Mahajanga.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre