Fisolokiana – Tratra i José
Voasambotra teny amin’ny 67 ha i José, mpisoloky gaigilahy, momban’ny kojakojam-piarakodia amin’ ireny mpivarotra « bonne occasion » ireny no nahafantarana azy. Milaza ho « électricien » ihany ko izy ary manatona ireny mpivarotra « pièces » ireny ary milaza fa misy « patron » mitady kojakojam-piarakodia. Rehefa resy lahatra amin’izay lazainy ilay mpivarotra dia asainy manaraka azy ny olona iray avy eo ihany mba haka ilay vola any amin’ilay « patron » izay monina eny 67 ha. Tonga eny dia asainy miandry ilay olona fa hoe mbola misakafo « patron » fa izy kosa miditra any amin’ilay toerana iray izay lazainy fa misy io olona io dia manjavona avy eo. Mpivarotra samy hafa no efa voasolokiny ary ireto no nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana. Izy saika hamely mpivarotra fahatelo no saron’ny polisy. Ireo efa mahalala tsara ny zava-misy no nifampilaza amin’ny fisolokiana ataon’i José. Toarian’ny fampandrenesana nataon’ireo mpivarotra tany amin’ny polisy dia nanao velam-pandrika izy ireo ka dia noraisim-potsiny io lehilahy io. Naiditra am-ponja vonjimaika ny sabotsy 11 jolay izy rehefa avy niakatra fampanoavana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







