Fitondrana mitsentitra vahoaka !
Fitsetsefana ara-bakiteny no ilazana mivantana ny ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Tadiavin’izy ireo tataovana hetra indray ny karama ho an’ireo manana asa ara-dalàna. Ireo karama kely no tena vokasik’io satria izay latsaky ny Ar 250.000 dia tadiavina hanesorana Ar 2.000 indray. Efa tena kely izany karama latsaky ny Ar 250.000 izany ary tsy mahavita iray volana akory na dia ho an’olon-tokana aza. Tsy mitsaha-mitombo rahateo ny hofan-trano, ny jiro sy ny rano, ny saran-dalana, ny sakafo sy ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavan’andro.
Raha ny fampitomboana karama mba andraisam-bola bebe kokoa no nandrasan’ny vahoaka madinika dia ny mifanohitra amin’izay no mitranga satria vao maika aza ny kely efa nisasarana mbola hanesorana indray. Tena fitsetsefana ny hatsembohan’ny madinika no azo ilazana izany. Tsy mahita vola ny fitondram-panjakana izay efa hita fa tia mirobaroba dia ny kely ananan’ny vahoaka no hanesorana. Tia mirobaroba be ity fitondrana ity ary iaraha-mahita fa miseho ho be vola ary manatobaka izany etsy sy eroa. Miliara maromaro no omena ny Air Madagascar, miliara marobe no atokana ho an’ny mpitatitra, manginy fotsiny ny miliara tsy hita pesipesenina hanaovana fifidianana. Ankoatra izany tsy mitsahatra manao fampanantenana fa hanangana izao sy izao etsy sy eroa ny filoham-pirenena. Aiza avokoa no ahitana izany vola rehetra izany? Mazava ho azy fa ny kitapom-bolam-panjakana no tsy maintsy ho loarana. Ny fanodikodinana sy fanararaotana maro moa eny an-tsefatsefany eny tsy resahina intsony. Mahatratra an-tapitrisany ariary isam-bolana ny vola avoakan’ny Fanjakana isaky ny olona iray mitana toerana politika eny anivon’ireny minisitera ireny. Tena atao fampiasan’ny tsy miala vola ara-bakiteny ny fizarana fahana telefaonina, karatra fakana solika, ny tambin-karama sy ny fanabontsinana faktiora amin’izany manginy fotsiny.
Be loatra ny fandanianiam-poana ataon’ny fitondram-panjakana dia ny vahoaka no asaina mandoa ireny. Manomboka lany ny paiso an-kady dia ny karaman’ny mafy ady indray no tadiavina hanombinana hanetsemana ny banga. Betsaka ihany izay karazana hetra tangosana amin’ny vahoaka izay fa tsy hita mihitsy izay tena tombontsoa azo amin’izany. Mihena ny vola raisina isam-bolana noho ny hetra nefa ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra. Mihambo ho mahavita izao sy izao ary manao fitetezam-paritra mihitsy ny filoham-panjakana nefa ry zareo ihany no manazava fa famatsiam-bola avy amin’ny vahiny no nanaovana ireny asa ireny. Izany hoe tsy ny hetra naloan’ny Malagasy fa vola nomen’ireo lazaina fa mpiara-miombon’ antoka. Dia nankaiza izany ny vola rehetra voaangona amin’ny fampidiran-ketra? Mazava ho azy fa hisy hamaly indray ireo teknisianina mpiara-miasa amin’ny mpitondra fa nentina hanodinana ny raharaham-panjakana izy ireny. Very fotsiny ny volan’olona satria ny raharaham-panjakana aza dia handoavana vola avokoa fa tsy vitan’ireo hetra tangosana.
Ekena fa ilaina ny hetra ho fampandehanana ny fanjakana saingy kosa mitaky vokatra sy tombon-tsoa avy amin’izany ny vahoaka. Any ivelany ohatra na dia ambony be aza ny hetra dia tsy mimenomenona ny vahoaka satria vita tsara ny foto-drafitr’asa, mipetraka tsara ny fitandroana ny fahalemana, ary maimaim-poana avokoa ny fitsaboana. Eto Madagasikara kosa dia miandry fahafatesana rehefa tsy sitrana ho azy amin’izao izay tsy manam-bola hitsaboana tena. Miandry ny hatsaram-panahin’ireo jiolahy ihany koa sisa izay voatafika satria raha ny mpitandro filaminana no andrasana dia maty eo.
Santionany izany fa tena tsy rariny ary tsy eken’ny hevitry ny maro an’isa ny fakana hetra vaovao amin’ny karaman’ny mafy ady. Tsorina ho mafy ady mihitsy satria miady mafy ary mizaka ny tsy eran’ny aina vao mahazo izany Ar 250.000 isam-bolana izany nefa mbola tadiavin’ny fitondram-panjakana hakana Ar 20.000 indray. Mety kely io ho an’ny manan-katao saingy efa mahavita ny vitany ary maharary ny hanesorana azy ho an’ireo sasa-dahasa nandritra ny iray volana vao nahazo izany.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







