Mandoto – Raim-pianakaviana maty notifirin’ny dahalo
Mbola tsy fantatra hatreto na valifaty na kakay tsotra izao fa raim-pianakaviana iray no maty voatifitra tany Mandoto. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata tamin’ny 1ora no nisehoan’izany tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Antanambao Ambany, eny Avaratra andrefan’i Mandoto.
Jiolahy dimy niaraka amin’ny basim-borona no nanafika tao amin’ny tokantranon’ity rangahy efa 60 taona handroba azy mivady. Tsy naka na inona na inona anefa ireo jiolahy fa ilay raim-pianakaviana no notifirin’izy ireo rehefa nilaza fa tsy manana zavatra sarobidy omena azy ireo.
Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nanapoaka basy ireo jiolahy ary nanapitsoka ny varavarana. Rehefa tafiditra tao an-tranon’ity rangahy ity dia nitaky vola. Tsy nahazo an’izay notadiaviny anefa ireo olon-dratsy ireo.
Rehefa izany dia navoakan’ireto tsy mataho-tody teny ivelan’ny trano ilay rangahy ary notifiriny avy hatrany. Maty tsy tra-drano ity farany raha toa ka tsy nokasihin’izy ireo mihitsy ilay ramatoa be. Nandositra izy ireo avy eo rehefa vita ny nataony. Misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







