Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Polisy maty voatifitra tany – Tsaratanàna Efa fantatra ireo jiolahy

Nandeha be ny raharaha taorian’ny fahalavon’ny polisy iray tao Tsaratanàna ny alatsinainy lasa teo. Taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana dia efa fantatra ny iray tamin’ireo jiolahy nahavanon-doza.

Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana dia efa mandeha ny fikarohana ireo jiolahy ireo. Raha ny fantatra hatrany dia tsy nisy nisaro-tava ireo jiolahy nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tamin’ny nandrobany ny vola be an’ilay mpandraharaha mpividy volamena tafara-dalana tamin’ireo mpitandro filaminana izay avy namita iraka tany Mampikony. Nandritra ny famotorana natao dia nilaza ireo vehivavy sy ity mpandraharaha voaroba ity fa tadidin’izy ireo tsara ireo jiolahy ireo ary mahafantatra tsara azy ireo rahateo.

Raha zohina izany dia ity mpandraharaha ity mihitsy no nokendren’ireo jiolahy tamin’ny fanakanan-dalana nataon’izy ireo ary nahafantatra tsara ny fiara nitondra azy sy ny fotoana tokony handalovana tao Berere, izay 50 kilometatra tsy hiditra an’i Tsaratanàna.

Inoana izany fa tsy ho ela dia hivoaka ny vokatry ny fikarohana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana amin’ny fitadiavana ireo olon-dratsy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre