Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Betafo – Dahalo iray maty voatifitra

Nandritra  ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo fokonolona tao Betafo dia dahalo iray no maty voatifitra. Miisa folo izy ireo no tonga tao amin’ny fokontany Ambalavola, kaominina Analavory ao amin’ny distrikan’i Betafo ny alin’ny 10 jolay lasa teo hanafika ireo mponina. Tany amin’ny misasaka  alina no nisehoan’izany. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihan’ireo dahalo tao an-toerana. Teo anetrahana izany dia tsy nisy sahy nivoaka nanohitra ireo dahalo ireo mponina fa samy namitsaka tao an-tranony avy ka moramora tamin’ireo  olon-dratsy  ny namoaka ireo omby tao am-bala. Omby miisa folo no lasan’ireo tsy mataho-tody ka nanesy iray avy izy ireo. Nampandre ny zandarmaria avy hatrany ny fokonolona raha vantany nivoaka ny tanana ireo dahalo ireo. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana teny an-toerana, raikitra ny fanarahan-dia. Fotoana fohy taorian’izany dia nifanehitra ny roa tonta ka nisy fifandonana izay nahafatesan’ny iray tamin’ireo dahalo. Tafaverina daholo kosa ireo omby miisa folo ary efa nomena ny tompony.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre