Toamasina – Gadra nitsoaka, tratra namaky trano
Taorian’ny fitarainana nataon’ny olona iray nilaza fa vaky trano ny alin’ny 11 jolay tao Ankirihiry avaratra, ao Toamasina, dia fantatra fa gadra nitsoaka no nanantanteraka izany. Ireto farany izay fantatra fa mbola mamita ny saziny eny Ambalatavoahangy ary manao asa ivelan’ny fonja. Izany fahazoana alalana mivezivezy izany no nararaotin’ireo jiolahy hanohizana ny asa ratsin’izy ireo.
Gadra roa izy ireto izay fantatra fa mpiara-mamaky kitay ampiasaina amin’ny nahandro ao amin’ny fonjan’ny Ambalatavoahangy. Fantatra ihany koa fa samy vono olona no nahavoasazy azy ireo. Ny iray voasazy 15 taona an-tranomaizina raha toa ka 7 taona ny iray.
Efa tranga fahita matetika raha ity tsy fiverenana eny amin’ny fonja rehefa mamita asa ety ivelany ity sy ny fanaovana lalan-dririnina. Tsy ny any Toamasina ihany fa manerana ny nosy izany.
Tsy nisy fonja vaky
Manoloana ity raharaha ity dia tsy niandry ela ny mpandraharahan’ny fonja, tamin’ny alalan’ny lehiben’ny fonja, Ralay Christian, nanamafy fa tsy nisy fonja vaky. Fantatra mantsy fa nandeha be ny resaka mahakasika ny nahatrarana ireo gadra ireo fa vaky ny fonjan’ Ambalatavoahangy. Nambarany fa « tokony amboarina ka manadihady rehefa hamoaka ny vaovao iray. Tsy misy akory ny fivakisan’ny fonja, fa kosa ireo gadra mamita ny saziny ivelan’ny fonja no ity saron’ny polisy ity. Efa hatramin’ny taona 2012 no efa nahazo alalana hamita ny saziny any ivelan’ny fonja ny iray tamin’ireo jiolahy tratra ireo ».
Manaiky kosa ity lehiben’ny fonja ity fa « gadra » tokoa io saron’ny polisy nanao ny asa ratsy ity, fa tsy nitsoaka tao anaty fonja ary tsy misy fonja vaky ao Ambalatavoahangy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







