Asan-dahalo – Raina komandà borigady tratra nangalatra omby, navotsotry ny fitsarana
Tsy ampy ny vesatra. Valalanina ny rehetra. Ao raha ! Nahazo fahafahana vonjy maika rehefa nandalo tao amin’ny fitsarana Toliara, afak’omaly, ny dahalo roa ikoizana amin’ny halatra omby any amin’ny distrikan’i Toliara II iny. Voasambotry ny zandary teny amoron’ny reniranon’ Onilahy (atsimon’ny tanànan’i Toliara) ny alakamisy 9 jolay lasa teo i Rebita rehefa nitsoaka ny mpitandro filaminana taorian’ny nangalarany omby 20 tao Anatsimavo.
Lehiben-dahalo ikoizana
Raha ny fanazavan’ny chef d’escadron Tsiketa Janvier Parfait, komandin’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena ao Toliara, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, dia tratra tao amin’i Rebita monina ao amin’ny fokontany Marofatika, kaominina Maromiandra, ny omby dimy tamin’ireo 20 very. Ity Rebita ity, hoy hatrany ny komandà Tsiketa nanohy ny fanazavany dia rain’i Fanampy, lehiben’ny dahalo malaza ao Maromiandra, antsoin’ny maro hoe : CB na Commandant de Brigade, izay mbola karohin’ny mpitandro filaminana amin’izao.
Eric Toliara
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







