Halatra jiro sy rano – Olona 17 voampanga
Ohatry ny ao Mahajanga sy any an-kafa dia mahazo vahana ny fangalarana jiro eto Madagasikara. Raha ny ao Mahajanga manokana dia mahatratra 17 ireo olona ataon’ny Bianco fanadihadiana mahakasika izany halatra jiro sy rano izany. Araka ny vaovao voaray dia miray tsikombakomba amin’ireo mpanjifa ireo ny mpiasan’ny jiro sy rano malagasy (Jirama). Rehefa misy ny baiko midina avy any ambony manapaka ny jiro na rano an’ireo mpanjifa noho ny fahatarana ny fandoavana faktiora dia tsy tapahin’izy ireo izany satria mahazo efatra alina izy ireo isaky ny hanao an’izany.
Ny volana aprily dia naharay fitairanana mikasika izany ny Bianco ary rehefa natao ny fanadihadiana ny 13 amin’ireo voampanga dia mpanjifa avokoa. Voalaza ihany koa fa olona manana ny maha izy azy ao Mahajanga ny efatra amin’izy ireo. Manoloana io kolikoly avo lenta io dia mahatratra any amin’ny 5 miliara ariary any ny fahavoazan’ny orinasa jirama any an-toerana amin’izao fotoana. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ao an-toerana amin’ity raharaha ity.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







