Tetezana Betsiboka – Injeniera maty latsaka avy any amboniny
Nandritra ny fanamboarana ilay tetezana Betsiboka, olona iray no fantatra fa namoy ny ainy latsaka avy eny ambony tetezana. Efatra izy ireo no nianjera avy teny ambonin’io tetezana io izay naratra mafy daholo. Araka ny vaovao voaray dia notatazan’ireo vato be tao ambanin’ilay tetezana ny lohan’io injeniera io izay nitarika ny fahafatesany. Torana tsy nahatsiaro tena iz ka nanafarana fiara mpitondra marary avy taty an-drenivohitra ary nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly Hjra izy sy olona iray izay tapa-tongotra vokatry ny fianjerana mafy nahazo mba hanaraka fitsaboana. Ny roa ambiny kosa nalefa any amin’ny hopitaly Maevatanana noho ny hamaivanan’ny ratra nahazo azy ireo.
Fotoana fohy nahatongavan’ilay injeniera tao amin’ny Hjra anefa dia nindaosin’ny fahafatesana izy. Araka ny fantatra dia noho ny fitsilianan’ny ra any anaty no nitarika ny fahafatesany.
Efa tranga mateti-piseho eo amin’io tetezana io ny toy izao hoy ireo mponina any an-toerana. Isaky io tetezana io amboarina dia tsy maintsy misy faty olona foana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







