Mahajanga – Tratra ny manaparitaka vola sandoka
“Tokony ho mailo ny tsirairay ary mila mijery tsara izay vola raisina”, hoy ny polisy ao Mahajanga manoloana ny fiparitahan’ny vola sandoka any an-toerana. Nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity mantsy dia efa miisa roa ny olona tratra ny polisy. Ny harivan’ny talata dia lehilahy iray nampiasa vola sandoka no efa eo am-pelatanan’izy ireo rehefa sarona nandritra ny fividianana zavatra tamin’ny toeram-pivarotana iray. Nampandre ny polisy avy hatrany mantsy ireo mpivarotra raha nahatsikaritra fa vola sandoka ireo noraisiny. 10 000 ariary iray no nampiasain’ilay olon-dratsy ary rehefa nosavaina io lehilahy io tamin’ny fidinanan’ny mpitandro filaminana tao amin’io fivarotana io dia mbola nahitana 10 000 ariary telo hafa teny aminy.
Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy amin’ny fitadiavana ny tena ati-doha mpambotry ny firenena. Araka ny fantatra dia mbola iraka daholo ireo olona tratra ireo mba hanaparitaka io vola sandoka io. Efa misy ihany koa ny famitahana ny olona amin’ny fanakalozana ny vola izay ampitomboina dimy avo hena ary betsaka ireo tafaroboka amin’izany. Efa nisy mantsy ny olona voafitaka nankan’ireo olon-dratsy vola hatramin’ny 1 000 000 ariary lazaina fa atakalo 5 000 000 ariary.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







