Sakaraha – Fianakaviana iray indray novonoin’ny malaso
Miverina indray ny tsy fandriampahalemana any amin’ny Distrikan’i Sakaraha rehefa nilamina izany noho ny asa nataon’ireo mpitandro filaminana sy ny fisian’ny dina be any an-toerana. Manararaotra ny maha-toerana fitrandrahana safira io toerana io ihany koa ireo olon-dratsy amin’ny fahamaroan’ny mpividy safira. Olona efatra mianaka no indray namoy ny ainy ny harivan’ny talata 21 jolay tamin’ny 7 ora, tao Lebondo, kaominina Ambinany any amin’ny distrikan’i Sakaraha.
Niraradraraka ny poa-basy tamin’ny fandalovan’ireo malaso tao an-toerana. Miisa 17 izy ireo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana 13. Vantany vao tonga tao amin’ilay tokantrano iray ireto oln-dratsy dia nandrahona ireo fianakaviana mba hamoaka ny vokatra azo nandritra ny tontolo andro. Rehefa nilaza fa tsy manana ny omena an’ireo dahalo ireto lasibatra dia notifiriny avy hatrany niaraka tamin’ireo ankizy kely tao an-trano.
Nandositra izy ireo rehefa vita ny nataony ary efa misy fanarahan-dia ataon’ny mpitandro filaminana miaraka amin’ny vatan-dehilahy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







