Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mpanao propagandy – Olona telo maty nianjera avy teny ambony kamio

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny lalana mankany Andapa. Olona telo lahy no indray maty tao amin’ny kaominina Ambodiampana, ao amin’ny distrikan’i Sambava, omaly atoandro tamin’ny 12ora sy sasany.

Nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidà iray tao amin’ny kaominina voalaza etsy ambony no nitrangan’izany.  Tsy ampy 4 kilometatra niala ny tananan’i Ambodiampana dia nifanena tamina kamiao ho any Andapa ny kamiao iray nanao propagandy izay tena feno olona tokoa. Nodomin’ilay kamiao nihazo an’Andapa ity farany ka nianjera ny olona avy teny amboniny.

 

Iray hafa maty

Ka maty tsy tra-drano ny telo lahy tamin’izany. Ireto telo lahy izay fantatra fa tsy tafiditra tao anatin’ilay kamiao fa nisaringotra fotsiny avy ety ivelany ka nipitika avy hatrany raha vao voadona ilay fiara vaventy. Be dia be ihany koa ireo naratra fa tsy misy ahiana ny ain’izy ireo. Vokatry ny lozam-pifamoivoizana ihany dia mpandeha kodiaran-droa, lehilahy iray 31 taona, no namoy ny ainy ny alin’ny 22 jolay tamin’ny lalam-pirenena fahafito tao Andoharanbofotsy tamin’ny 8ora alina. Ity farany izay nodomina fiara marika Peugeot 205 avy taty an-drenivohitra izay hihazo an’i Iavoloha. Raha ny vaovao voaray dia nihoatra fiara iray teo alohany ity Peugeot ity hany ka nandona ilay môtô teo alohany noho ny fandehanana mafy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre