Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Polisim-pirenena – Ampiharina ny fitsipi-pifehezana

Fantatra fa tao anatin’ny herintaona mahery dia mahatratra 172 ny antontan-taratasin’ny ady voaray mikasika ny fitondran-tenan’ireo polisy ary 25 ireo natolotra ny fitsarana ka dimy no voatazona vonjimaika eny am-ponja. Ny teo anivon’ny filan-kevitra ara-pitsipi-pifehezana dia nahatontosa fitsarana ireo polisy voampanga ho nandika ny fitsipi-pifehezana ireo.

Nisy noho izany fivoriana momba ny lahadinika nataon’ny polisim-pirenena mahakasika ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana eo anivon’izy ireo, izay notanterahana omaly teny Antanimora. Ny loha-hevitra niompanan’ny dinika dia ny « Fanamafisana ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana ». Ity loha-hevitra ity dia tafiditra indrindra ao anatin’ny vina telo napetraky ny ministry ny Filaminam-bahoaka dia ny ady amin’ny asan-jiolahy, ny ady amin’ny kolikoly ary ny famerenana ny fitsipi-pifehezana. Efa nisy ny fanentanana izay nataon’ny sampana mpanara-maso ny teto afovoan-tany sy ny tapany andrefana, avaratra sy atsinanana ary polisy efa mihoatra ny efatra arivo (4000) no nahazo fanentanana momba ny fanarahana io fitsipika io. Mbola hisy ny fikasana izay atao any Atsimon’ny nosy.

« Natao io mba ho fanadiovana sy fanatsarana ny asan’ny polisim-pirenena satria tsy misy na inona na inona ho vita, tsy misy asa mandeha raha goragora ny fampiharana ny fitsipika eo anivon’ny polisim-pirenena », hoy ny ministry ny filaminam-bahoaka, inspektera jeneralin’ny polisy Randimbisoa Blaise Richard.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre