Vous êtes ici :

Samedi 07 Février 2026

ombre

Manantena mirakla

Vory lanona hatrany ny vahoaka amin’ny fandalovan’ireo kandida hirotsaka ben’ny tanàna. Hita misoritra eny amin’ireo mpanotrona ny hetaheta te hahita fiovana eo amin’ny lafin’ny fampandrosoana. Toa efa mametraka avy hatrany ny fanantenany amin’ireo kandida izay mandalo sy manao fampielezan-kevitra ny ankamaroan’ny olona. Porofo izany fa tena mbola ao anatin’ny fahasahiranana ny malagasy ary mitady olona tena afaka ny hitondra fampandrosoana eto amin’ity firenena ity. Tokony ho tonga saina ny fitondram-panjakana manoloana izany zava-misy izany satria efa tena tsy azo ametrahan’ny vahoaka fitokisana sy fanantenana intsony izy ireo. Raha tena nahavita sy mamim-bahoaka mantsy ireo mpitondra dia tsy hivaky loha amin’ireo kandida ben’ny tanàna ny vahoaka fa tonga dia nifidy fotsiny izay narotsaky ny atolom-panjakana. Tsy izany anefa no mitranga amin’izao fampielezan-kevitra izao fa saika ny olona atolotr’ireo antoko avy amin’ny mpanohitra aza no mahavory olona maro kokoa.

Misy tsy metimety eto Madagasikara ary mahatsapa sy mahatakatra izany ny vahoaka. Tsy mihaino intsony ny mpitondra ary tsy manana fahaizana hanatanteraka ny hetahetam-bahoaka ka aleon’ny mpifidy mitodika any amin’ny olon-kafa mihitsy. Akoho tsy naneno ohatr’izay efa lanin’ny kary hoy ny fitenenana. Tsy mandaitra intsony ny fampanantenana lavareny ataon’ny mpitondra amin’izay fandraisam-pitenenana azon’izy ireo. « Atao ito, amboarina itsy,… », efa zary lasa tsianjery fihomehezana sisa satria tsy tanteraka akory avy eo. Izany fampanantenana poak’aty izany hatrany nefa no mahatonga ny fihetsika fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa. Tsy mitaky ny tsy misy na mila voa tsy ary ireo mpanao fitokonana fa mangataka kosa ny hanatanterahana ny efa nifanarahana sy handoavana ny efa nampanantenaina. Tsy misy mihaino anefa izany rehetra izany ary vahaolana hafa no aroson’ireo heverina ho tompon’andraikitra. Mangataka andro lava sy mahita fanazavana tsy mitombina hatrany entina hanadiovan-tena.

Tsy tokony ho gaga noho izany ireo mpitondra fanjakana amin’ny mety ho voka-pifidianana hitranga eo. Raha tsy hoe angaha hiroso amin’ilay fomba amam-panao mamohehitra hatramin’izay dia ny hala-bato sy ny fanodikodinana ny safidim-bahoaka. Azo atao tsara mihitsy ary tsy sarotra ny mangala-bato amin’ny fifidianana demokratika eto Madagasikara. Manana tombondahiny amin’izany hatrany ny antoko akaiky ny fitondrana. Misy ihany ny mpanara-maso ny fifidianana sy ny fitsarana manokana mikasika izany saingy tena mijanona amin’ny resaka fanaraha-maso ara-bakiteny izy ireny fa tsy manana fahefana handray fepetra sy hanasazy mafy ireo tsy manara-dalàna mandritra ny fifidianana. Toa maneho izany ny fanovaovana amtetika sy tsy nifampierana ny fitsipika sy pitsopitsony rehetra mikasika ny fifidianana. Mbola nanaitra ny maro ihany koa ny fanambaran’ny praiminisitra mikasika ny hoe tsy natao hamalifaly ny mpanao politika akory ny lalàna mifehy ny fifidianana. Mbola notsindriany indray avy eo fa tokony hanaiky izay vokatra mivoka eo ny rehetra. Ho an’ny mpanara-baovao, sy ny mpanao politika dia karazan’ny efa fanta-patatry ny fitondram-panjakana sahady ny mety ho voka-pifidianana hivoaka eo. Mahagaga ihany izany satria hatreto aloha dia tsy mbola manana ireny mpanao fanadihadiana mikasika ny fironan’ny hevitry ny mpifidy ireny i Madagasikara. Any ivelany mantsy dia efa hita taratra mialoha ny mety ho fitongilanan’ny safidim-bahoaka. Eto aminstika kosa dia tombatombana sy kajikajy fotsiny no betsaka fa tsy misy mahalala mihitsy izay tena mety hitranga. Raha tsy hoe angaha efa misy vondrona na antoko efa nivonona amin’ny fangalaram-bato ka manana antoka avy hatrany fa na inona na inona safidim-bahoaka dia efa any aminy ny fandresena. Enga anie ka ho tombatombana vokatry ny ahiahy tsy hihavanana ihany izany rehetra izany ka tena izay safidim-bahoaka tokoa no hivoaka mandritra ireo fifidianana ben’ny tanàna manerana ny Nosy. Kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena rahateo ireo fifidianana ireo satria ahafahana mitaratra ny tanjaka sy ny fahalemen’ny fitondram-panjakana. Raha tsy mahazo ny maro an’isa amin’ny ireo ben’ny tanàna voafidy ny antoko mpanohana ny fitondrana dia efa karazan’ny hafatra avy amin’ny vahoaka sahady izany. Hafatra milaza fa leon’ ny mpitondra ankehitriny ny Malagasy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre