Toliara – Atrikasa momba ny fahaiza-mitantana sy ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny fitsarana
Lohahevitra tamin’ity taona ity ny hoe : « Fitsarana tsara tantana, antoky ny fampandrosoana ». Nisokatra ny talata maraina tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny « Hôtel Amazone » Toliara, ny fivoriamben’ny lehiben’ny fitsarana avy amin’ny fitsarana ambony ao Toliara sy Fianarantsoa. Fihaonambe notanterahina in-telo miantona mifampitohy nanomboka ny taona 2012, ka nofakafakaina tamin’izany ny hoe : « Lehiben’ny fitsarana : voninahitra sy haja, adidy aman’andraikitra sy fitsarana matanjaka, tsara tantana, manome fahafaham-po ireo manan-draharaha eny amin’ny fitsarana ary fatra-panaja ny zon’olombelona ». « Ny fahaiza-mitantana, ny ady amin’ny kolikoly ary fanatsarana ny fahaiza-manao ao amin’ny fitsarana, izay politikam-panjakana amin’izao, mitaky ny kolon-tsain’ny vokatra, dia antoka iray mampandroso ny firenena eo amin’ny lafiny rehetra », hoy Razafinjatovo Honoré Parfait, tale jeneraly « programme et ressource » anivon’ny ministeran’ny fitsarana, nisolo tena ny minisitry ny Fitsarana tany Toliara. « Havoitra mandritra ny telo andro amin’ity atrikasa fikaonan-doha sy fifanakalozan-kevitra ary fifampizarana traikefa ity ny fiahiana ireo tsy manam-bola amin’ny fiarovana ny zony eny amin’ny fitsarana sy ny fanafainganana ny fandinihana ny antontan-taratasin’ireo manan-draharaha mba hisian’ny fifaneraserana tsara hanarenana ny lesoka, mamerina ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana », hoy kosa ny filoha voalohan’ny fitsarana an-tampony eto Madagasikara, Randrianantenaina Modeste, raha nanamafy.
Eric Toliara
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







