Andilamena – Notsatohany antsy ilay zazavavy rehefa tsy voaolana
Notambatambazan’ny tovolahy iray ny zazavavy kely 13 taona saingy tsy azony. Nikasa hanolana ilay zazavavy saingy niantso vonjy avy hatrany ka nahatezitra azy. Rehefa tsy voaolan’ilay tovolahy noho izany ilay zazavavy dia notsatohany antsy teo amin’ny tratrany. Ny fidorohana zava-mahadomelina no fantatra fa nahatonga io tovolahy io nanao izany. Ny faran’ny herinandro teo no nisehoan’ izany tao Andilamena, any Ambatondrazaka. Nentina tany amin’ny hopitalin’ny Ambatondrazaka ilay tovovavy noho ny ratra nahazo azy. Tsy misy ahiana kosa ny ainy.
Namono tena
Nandositra avy hatrany ilay tovolahy taoriany izany asa ratsy nataony izany. Tsy vitan’izay fa namono tena izy. Noho ny henatr’olona angamba sa tahotra ny iharan’ny fitsaram-bahoaka na ihany koa higadra. Nihinana fanafody be dia be izy saingy tsy nahafaty azy izany. Nisy nahita ny fanaovan’izany ka nifamonjena nentina tao amin’ny hopitalin’ny Andilamena izy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana kosa ity tovolahy ity ankehitriny ary miandry ny fitsarana azy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







