Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Oniversite Fianarantsoa – May ny tranon’ny mpianatra, olona iray maty

Tsy fantatra mazava hatreto ny nahatonga ny fahamaizana fa kilan’ny afo tanteraka ny « bloc s » izay fonenanan’ireo mpianatra ao amin’ny Oniversite  Andrainjato ao Fianarantsoa. Omaly tamin’ny 2ora maraina no nisehoan’izany. Mpianatra iray no namoy ny ainy, ity farany izay avy any Antsirabe fa mandrato fianarana ao an-toerana. Araka ny fantatra dia rendriky ny torimaso ity mpianatra ity hany ka rehefa taitra izy efa may tototry ny afo ny manodidina azy ka tsy tafahetsika intsony izy fa may kila tao. Manodidina ny 60 any ho any ankehitriny ireo mpianatra tsy manan-kialofana. Ireo mpianatra sy ny manodidina no niara-nisalaha nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo. Nanano sarotra ireo fokonolona ihany anefa ny famonoana izany noho ny rivotra nifofofo. Efa ho mazava mantsy ny andro izay vao tena maty tanteraka izany. Vokatry ny fijalajoalan’ny afo dia potika tanteraka lasa lavenona daholo ny fananan’ireo mpianatra sy ny fitaovam-pianaran’izy ireo.   Efa niala tao Fianarantsoa omaly tamin’ny 4 ora hariva ny nofon’ilay tovolahy izay nihazo ny distrikan’i Antsirabe.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre