Famaranana ny taona akademika 2014-2015 – Nanafana ny fotoana ny « Tropy Jeannette »
Famaranana ny taona akademika 2014-2015. Hiditra amin’ny fialan- tsasatra ny Akademia malagasy ny volana oktobra ho avy izao. Ho fanamarihana izany dia nisy lanonam-pamaranana ny sabotsy 25 jolay izay narahana hetsika ara-java-kanto. Amin’ny maha-Akademia azy dia nomen-danja ny zava-kanto izay mendrika ho tsarovina amin’ity taona ity ka ireo namela ny diam-penina, ny diampeo ary ny dian-tsoratra teo amin’ny tantaran’ny teatra sy ny hira teatraly malagasy no nanamarika ny fotoana. Araka izany dia ny « troupe Jeannette » no nanafana izany fotoana izany izay mankalaza ny faha-86 taonany ny tarika. Ary io fotoana io dia natokana ho fahatsiarovana ireo nitondra nifandimby ny
« Tropy Jeannette » sy ny fanentanana ny kolontsaina malagasy. Ny « Tropy Jeannette » dia noforonin’i Andrianary Ratianarivo niaraka tamin’ny Ramatoa Jeannette ny taona 1929. « Ny fotoana toy izao dia natao ho fahatsiarovana ny tantaran’ireo olo-manga malagasy izay tena mendrika ho tsarovina tokoa. Amin’ny famaranana ny taonan’ny akademia amin’ny taona ho avy dia
« Rainandriamampandry » no ho lalaovina ho fahatsiarovana ny faha-120 taona nahafatesany. Ity farany izay namela mamy tokoa noho ny fitiavan-tanindrazana izay nasehony. Raha tsarovana, Rainandriamampandry dia maty notifirin’i Gallieni ny 16 oktobra 1896 », hoy i Haingosaonina Henry, filoha lefitra amin’ny sokajy voalohany ao amin’ny Akademia malagasy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







