Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Halatra lavanila maitso – Roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Na efa misokatra aza ny tsenan’ny lavanila any amin’iny Faritra Sava iny dia fantatra fa mbola mitohy ny halatra lavanila manta na maitso izay ataon’ireo olon-dratsy any an-toerana. Tafakatra any amin’ny 50.000 ariary ny kilaon’ny lavanila manta any Sava ka izay no mampirongotra ny halatra amin’izao. Tsy voafehin’ny mpitandro filaminana intsony ireo mpanao ratsy hany ka mila ho potiky ny mpangalatra ny seha-pihariana lavanila any amin’iny faritra iny.

Ny alin’ny alakamisy 23 jolay dia valo lahy no fantatra fa nangalatra lavanila manta tao amin’ny fokontany Ambalamanasy, tao amin’ny distrikan’i Andapa. Rehefa nifanenjehan’ny fokonolona dia tratra ny roa lahy tamin’izy ireo ka maty niharan’ny fitsaram-bahoaka. Raha ny tatitra voaray dia tsy tana intsony ny ain’izy ireto rehefa tonga tany amin’ny hopitaly na dia nifamonjen’ny mpitandro filaminana aza. Voasambo-belona kosa ny naman’izy ireo iray ary efa eo am-pelatananan’ny mpitandro filaminana. Efa mandeha kosa ny fikarohana ny dimy ambiny amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre