Faritra Bongolava – Dahalo dimy nangalatra omby 24
Mitohy ny asan-dahalo any amin’iny Faritra Bongolava iny. Omby miisa 24 indray no lasan’ireo malaso tao Ankoloara, kaominina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanimandidy. Dimy lahy nirongo basim-borona sy zava-maranitra no tonga nandroba tao amin’io tanàna io. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny fandalovan’izy ireo mba ampitahorana ireo mponina ary paika tena nandaitra tokoa satria mipirina ao an-tranony avokoa ny olona rehefa manapoaka basy toy izao ireo dahalo.
Nilamina noho izany ireo dahalo nanesy ny omby nivoaka ny tanàna. Tsy nisy maty na naratra nandritra ny fanafihana. Efa lasa lavitra ireo olon-dratsy izay vao sahy nampandre ny mpitandro filaminana ireo fokonolona. Tonga teny an-toerana ireto farany nanao fizahana ary rehefa vita izany dia raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona nanaraka ny dian’omby fa hatramin’izao mbola tsy nahitam-bokany izany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







