Vaky fasana – Nanjavona ny taolan-dava 15
Fasana roa no indray vaky teny Atsimondrano. Tsy fantatra na tamin’ny oviana na tamin’ny firy no nanantanterahan’ireo olon-dratsy izany fa olona nandeha nandevina no nahatsikaritra ny fahavakisana tao Ambozontany, ao amin’ny kaominana Ampahitrosy, ny zoma 24 jolay, tamin’ny 2ora sy sasany.
Nampandre ny sefo-pokontany avy hatrany ireo tompon’ny fasana ary ity farany indray no niantso ny mpitandro filaminana. Nidina teny an-toerana izy ireo niaraka tamin’ny dokotera nanao fizahana. Nandritra ny fizahana natao dia fantatra fa taolan-dava miisa 15 no nanjavona tao amin’iray tamin’ireo fasana vaky izay mifanakaiky.
Mbola tsy fantatra kosa hatreto ny isan’ny razana voazimbazimba tao amin’ny fasana iray hafa satria tsy teo an-toerana ny tompom-pasana tamin’ny fandalovan’ny zandarmaria. Fantatra kosa fa mitongilana ny rako-pasana izay mifanila amin’ity vaky ity izay nahalalana fa lasibatr’ ireo olon-dratsy ihany koa. Mitohy ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







