Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Atrik’asa 3PSRD /Mada – Tontosa ny sonia efatra loha

Tontosa omaly alatsinainy 27 jolay tetsy amin’ny Carlton ny fanaovan-tsonia efatra loha izay haharitra 5 taona momba ilay atrik’asa 3Psrd/Mada izay iarahan’ny oniversite Ispps sy ny vondrona In.SPN.Mad izay fandaharan’asa fiahiana ara-tsosialy ny mponina eny ambanivohitra. Ny sonia voalohany izay nataon’ny In.spn.Mad sy ny orinasa teknik-all amin’ny fananganana voalohany eto Madagasikara ny sehatry ny fiofanana mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ny oniversite nomerika sy ny fametrahana ny « Vision conférence » mba ahafahan’ny sekoly In.spn.Mad eran’i Madagasikara mametraka fomba fampianarana sy fandaharan’asa tokana izay  hanomboka ny volana aogositra 2015. Nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia teo amin’ny oniversite Ispps sy ny vondrona In.spn.Mad amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa iray izay mety iarahana amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny atao hoe « Programme de participation à la sécurité rurale à Madagascar-Chômage zéro ». Fandaharan’asa fametrahana ny « poste infirmerie » isaky ny toeram-pampianarana fanjakana izay mifandray amin’ny ministeran’ny Fampianarana indrindra any ambanivohitra sy an-drenivohitra amin’ny toerana marefo izay atomboka ny volana oktobra ho avy izao.

Teo ihany koa ny fanaovan-tsonia mahakasika ny fananganana toeram-pitsaboana tsy miankina teo amin’ny In.spn.Mad sy ny Mpitsabo jeneraly Razafintsotra mba hahatonga ny fomba fianarana hoe « alternance école-entreprise » mba ahafahan’ny mpianatra amin’io sekoly io manao fiofanana. Tetik’asa izay hanomboka ny volana aprily 2016. Ary farany dia ny fifanarahana amin’ny orinasa Manjaka-kanto amin’ny famatsiana ny fitaovana na eo amin’ny Ivo-toerana fikarohana sy fampiharana  na eo amin’ny efitrano fampiharana izay ho tonga ny volana 30 septembra izao.

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre