Ambohimangakely – Razana lena roa hita tanaty tamboho
Akory ny hatairan’ny olona omaly maraina raha nahita razana roa mbola lena tao anaty tamboho teny Ambohimangakely. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia fantatra fa razana avy ao amin’ny fasana manakaiky eo ihany izy ireto. Ity fasana moa nisy namaky ny herinandro lasa teo ka mbola tsy fantatra kosa ny isan’ny razana nanjavona tao sy ireo nahavanon-doza. Tamin’ny tombatombana nataon’ny zandarimaria dia natsipin’ireo olon-dratsy tao an-tokontan’io tamboho io izay tsy misy mipetraka io ireo razana ireo rehefa tsy nisy nilany izany. Misokatra ny fanadihadiana.
Miseho lany ny vaky fasana tato ato. Mbola manaitra ny sain’ny maro kosa hatreto ny tena antony angalaran’ireo olon-dratsy ireo ny taolan’ny razan’olona ka hanimbazimbana izany. Efa betsaka ihany ireo tratra fa mbola betsaka noho izay ihany koa ireo manohy io asa ratsy io ary ny tena loza dia ny tsy fahatratrarana ny ati-doha mikotrika izany izay mbola mivezivezy any amin’ny fiaraha-monina manohy ny asa ratsy. Lasa tsy voahaja tanteraka ankehitriny ny hasin’ny razana izay atakalon’ny olona vola be.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







