Fanjakana mivaro-pananana !
Vao manomboka ny herinandro dia efa misahotaka ny firenena ary mitebiteby ny vahoaka manoloana ny zava-misy eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Manitrikitrika mantsy ireo mpiasa fa tadiavina amidy ankolaka amin’ny sehatra tsy miankina ny orinasa. Tsy misy hiditra lalina amin’ny fandaminana sy ny adin’ny mpiasa sy ny mpitantana eo anivon’ity orinasam-panjakana ity fa ny fiantraikan’izany eny anivon’ny vahoaka no mampanahy ny maro.Efa nampandre mialoha rahateo ireo mpiasa fa noho ny antony ara-teknika dia ahiana ny hisian’ny fahatapahan-jiro lavareny ato ho ato. Ireo teknisianina ambony eo amin’ny fitantanana ity orinasa ity ihany koa dia efa nanamafy fa tsy azo ihodivirana ny fiantsoana vonjy amin’ny fanampian’ny sehatra tsy miankina mba hisorohana ny delestazy miverimberina. Io fanomezana vahana bebe kokoa ny sehatra tsy miankina io anefa ilay lazain’ny mpiasa fa fivarotana ny orinasa. Izany hoe mihenjan-droa ny tady ary ny vahoaka mpanjifa ihany no mizaka ny vokatr’izany. Efa niaraha-nahita hatramin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo fa tena efa miverina ny delesazy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Mihorohoro ny vahoaka ary tsy mitombin-tsaina satria hikorontana ambony ambany indray ny fiainana noho ny tsy fahampian’ny herin’aratra. Araka ny efa nolazaina tetsy ambony dia antony ara-teknika sy fitantanana eo anivon’ny JIRAMA no olana ka anjaran’izy ireo ihany no mamaha izany. Tsy hay kosa anefa ny tsy hampatsiahy fa ny fitondram-panjakana nifandimby teo aloha dia nahavita nifehy hatrany ny fiakaran’ny vidin-jiro sy ny fiverimberenan’ny delestazy. Tsy azo adinoina fa tamin’ny taona 2008 hitsidika 2009 dia nahazo tombony ny JIRAMA amin’ny vidin-jiro ambany dia ambany. Nahita izany ny fitondrana tetezamita dia mbola afaka nampidina indray ny vidin-jiro mba hitsinjovana ny vahoaka. Nolazaina fa tsy ara-dalàna sy tsy nahazo famatsiam-bola avy any ivelany ny fitondrana tetezamita nefa afaka nitazona ny vidin-jiro amin’ny sarany zakan’ny vahoaka hatrany.
Ankehitriny kosa rehefa niditra tamin’ny Repoblika fahefatra isika dia tsy mahita vahaolana hitazomana ny vidin-jiro takatry ny vahoaka sady tsy misy delestazy ny fitondram-panjakana. Ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny sehatra tsy miankina no vahaolana hitan’izy ireo. Tsy misy maharatsy izany raha toa ka hanatsara ny kalitaon’ny tolotra ary hanafoanana ny delestazy. Nefa kosa midika avy hatarny izany fa hisondrotra be ny vidin-jiro. Tsy sanatria filam-baniny na efa toe-tsaina ny mandà ny an’ny Malagasy fa raha ny zava-misy dia tsy ho takatry ny sarababem-bahoaka velively ny fampakarana ny vidin’ny herin’aratra amin’izao fotoana izao. Ambany dia ambany mantsy ny fahefa-mividin’ny isan-tokan-trano ary na ny vidin-jiro ankehitriny aza efa maro ny tsy mahaloa azy. Mpiahy voalohany ny vahoaka ny fitondram-panjakana ary tompon’ny orinasa JIRAMA ka manana andraikitra feno hitady vahaolana haingana sy maharitra amin’ity olana eo amin’ny famokarana sy fitsinjarana ny herinaratra ity. Mila herinaratra ampy sy mora vidy ny vahoaka ary andraikitry ny Fanjakana no mitady ny fomba rehetra hanatanterahana izany. Izany no hetahetam-bahoaka, izany no filan’ny malagasy ary mpitondra mahavita mamaly ny filan’ny vahoaka no ilain’ny maro an’isa. Tsy vahaolana ny fitondrana fanazavana ara-teknika sy ara-politika etsy sy eroa fa vokatra avy hatrany no ilain’ny Malagasy amin’izao fotoana ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka izao. Ny tsy fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka ihany mantsy no mahatonga ny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa. Mety misy ny resaka politika sy ny kajikajy samihafa saingy mijanona eo amin’ny samy mpanao politika izany. Ny an’ny vahoaka dia izay olona afaka manatsara ny fiainana ihany no ilaina. Rehefa tsy mahavita ny mpitondra fanjakana mijoro dia izay no mahatonga ireny hetsika ataon’ny vahoaka niafara tamin’ny fanonganana ny mpitondra nifandimby ireny.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







