Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Miarinarivo – Olona roa naratra mafy, lasa ny vola an-tapitrisa

Trano roa no indray nasesin’ny andian-jiolahy notafihana tao Ambatotsimifolaka, fokontany Alatsinainy kely ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo ny alin’ny alakamisy 23 jolay lasa teo. Olona roa no naratra mafy voatifitra raha toa ka lasa ny lelavola mitentina 6 180 000 ariary, finday miisa roa ary « lecteur DVD » iray. Jiolahy 30 tany ho any niaraka amin’ny basy mahery vaika no nanafika ireo trano ireo.

Araka ny vaovao voaray dia ny iray tamin’ireo olona naratra ireo dia voatifitra nandritra ny poa-basy niraradraraka  nataon’ireo jiolahy raha toa ka voan’ny bala ny mpitandro filaminana iray hafa nandritra ny fiambenana  natao teny amin’ny manodidina tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nandritra ny fiambenana dia nahita andian’olona maromaro nivory nanakaiky tetezana tao amin’ny tanàna Ambatotsimifolaka io ny zandarmaria. Rehefa nanatona azy ireo anefa ireto farany dia avy hatrany dia nanambana basy ka nitsoaka avokoa ireo olona. Nanao fampitandremana tamin’ny tifi-danitra ireo mpitandro filaminana fa tsy nisy nijanona. Olona iray naratra voatifitra noho izany.

Rehefa nifanazava anefa izy roa tonta dia fantatra fa olona handeha hitondra ilay voatifitry ny jiolahy ireo andian’olona nivory ireo. Mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre