Tsiroanomandidy – Dahalo roa maty voatifitra
Mandry tsy lavo loha ny mponina manoloana ny asan-dahalo ao Tsiroanomandidy. Saika isan’andro dia ahenoana fanafihana foana manodidina iny toerana iny. Fa tamin’ity indray mitoraka ity dia dahalo roa no lavon’ny zandarmaria nandritra ny fifandonana tamin’ny roa tonta.
Dahalo 35 niaraka tamin’ny basim-borona 18 no nangalatra omby 150 tao amin’ny fokontany Soamahamanina, kaominina Miandrarivo, ao Tsiroanomandidy ny alin’ny sabotsy 25 jolay tamin’ny 9ora. Rehefa lasa ireo dahalo dia nisy fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana sy ny Das ary ireo fokonolona tao an-toerana. Manodidina tamin’ny 1ora maraina dia nifanehitra ny roa tonta tao amin’ny kianja Soamanga ka raikitra ny fifampitifirana. Dahalo roa tamin’ireo 35 no maty voatifitra nandritra ny fifanjevona raha toa ka nisy ny aina nafoy na naratra tamin’ireo mpanara-dia. Tafaverina avokoa ny omby 150 ary efa natolotra ny tompony izany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







