Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Anjozorobe – Zaza 5 taona maty voatifitra, nalaina an-keriny ny reniny

Mirongotra ny tsy fandriampahalemana any Anjozorobe. Manao haza lambo mihitsy ireo dahalo amin’ny fandrobana ny fananan’olona. Tsy vitan’ny mandroba fa mbola mamono koa ireo dahalo ary tena tsy mikoso maso.

Zazakely 5 taona monja no namoy ny ainy voatifitra tao Antsapandrano, ao amin’ny fokontany Ambohijavona, kaominina Antanetibe, any amin’ny distrikan’i Anjozorobe ny harivan’ny alahady 26 jolay tamin’ny 5ora. Dahalo roapolo mahery nirongo basim-borona no tonga masiaka tao amin’io toerana io nandroba ny ombin’ny mpamboly iray monina ao. Tifitra variraraka no nidiran’izy ireo tao an-tanàna ary nandritra izany no nahafaty an’ilay zanaky  ny tompon’omby izay voan’ny balan’ireo dahalo sy ny omby iray. Lasa ihany koa ny omby miisa 27.

Rehefa niala ny tanàna dia nalain’izy ireo an-keriny ny renin’ilay zaza mba hampizotra ny fivoahan’ireo tsy mataho-tody tamin’ny toerana notafihany. Nampandre ny mpitandro filaminana ny lasibatra ary efa mandeha ny fanarahan-dia ankehitriny izay manaraka ny dian’omby mizotra any amin’ny distrikan’i Ankazobe.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre