Vous êtes ici :

Dimanche 07 Décembre 2025

ombre

67ha – Maty ilay lehilahy, ny vadiny namono tena

Trangam-piaraha-monina hafahafa ny niseho teny amin’ny 67ha ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy tamin’ny 1ora. Lehilahy iray no maty izay tsy fantatra no nahafaty azy. Ilay ramatoa vadiny kosa namono tena fa tsy maty  raha nahita azy efa henjana teo ambony fandriana. Tamin’ny fizahana natao tao an-tranon’izy ireo dia nahitana fonon’ny paty be dia be sy fanafody niparitaka eran’ny trano. Fantatra noho izany fa namono tena tamin’ny alalan’ireo zavatra roa ireo ilay ramatoa.

Betsaka no milaza fa famoizam-po no nitarika an’io ramatoa io hanao izany fihetsika izany nefa mampametra-panontaniana ihany izany manoloana ny fahafatesana tampoka nahazo ny vadiny. Tsy narary io lehilahy fa tamin’ny fizahana ny razana dia nahitana dian-tanana be dia be ny tendan’io lehilahy io. Voamarina izany fa maty nisy namono izy. Mipetraka koa ny ahiahy amin’io ramatoa vadiny io: fa tena famoizam-po tokoa ve no antony saika hanaperany ny ainy sa manamelon-tena amin’ny fahafatesan’ny vadiny? Misokatra ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre