Manjakaray – Sarona ny mpivarotra sady mpifoka rongony
Mitohy ny asa ataon’ny polisim-pirenena amin’ny fanafoanana ireo mpifoka rongony sy ireo mpivarotra izany. Nandritra ny fidinana ifotony natao teny amin’ny faritra Manjakaray ny alatsinainy 27 jolay tamin’ny 11ora dia rangahy iray 52 taona mivarotra sady midoroka io zava-mahadomelina no tra-tehaky ny polisy teo am-pivarotana izany. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana rongony 30 fonosana sy rarany 1kilao. Tamin’ny famotorana natao azy dia niaiky izy fa azy ireo rongony ireo ary efa herintaona no nivarotany izany fa izao vao tratra. Tsy vitan’izany fa mbola mifoka ihany ko izy ity ary efa dimy taona izao no nifohany izany. Nilaza koa ity olon-dratsy ity fa lehilahy avy any Androy no mamatsy azy izay vidiany 30 000 ariary ny iray sachet amin’ireo rongony ka amidiny 500 ariary ny fonosona iray lehibe ary 300 ariay kosa ny fonosana kely. Maha lafo 30 fonosona isan’andro ny tenany araka ny nambarany hatrany. Natolotra ny fampanoavana omaly io rangahy io.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







