Asan-dahalo – Lasa ny omby 53
Nitrangana asan-dahalo indray ny tao Ambohimasoa ny marainan’ ny 27 jolay tamin’ny 1ora sy sasany tamin’ny toerana antsoina hoe Asabotsikely, fokontany Tsimialonjafy Antsiara, ao amin’ny kaominina Sahatona. Andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tsy fantatra isa no tonga nanafika an’io toerana io ka lasa nandritra izany ny omby miisa 53 tao am-bala. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary niaraka tamin’ny vatan-dehilahy matanjaka rehefa nivoaka ny tanàna ireo dahalo. Rehefa tonga tao amin’ny tanàna Antanahaolo, ao amin’ny fokontany Ambalasoa dia nifanehitra ny roa ka raikitra ny fifandonana. Tafaverina ny omby 52 raha toa ka maty voatifitra nandritra ny fifanjevona ny iray. Nahitana dian’ny rà teo amin’ny toerana nifandonana. Mihevitra noho izany ireo zandary fa nisy naratra ireo dahalo fa tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra tamin’ireo mpanara-dia. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







