Anosiala – Mpitrandraka vato maty nipoahan’ny vanja
Naratra mafy teo amin’ny lohany ity lehilahy iray 32 taona ary tapitra ny ainy rehefa tonga kelikely teny amin’ny Hjra ny andron’ny alatsinainy 27 jolay. Nanapoaka vato tamin’ny alalan’ny vanja no niandohan’ny loza. Efa fomba fanaon’ireo mpitandraka vato ao Andavandompy Atsimo, fokontany Ampohipanasina, ao amin’ny kaominina Anosiala, distrikan’i Ambohidratrimo ny manapoaka vato amin’ny vanja ho fanamorana ny fitrandrahana azy.
Ny sabotsy maraina 25 jolay no efa nanapoaka io vato io ireo mpitrandraka saingy tsy nipoaka izany ny andron’io ka niverenana nosokirina indray ny alatsinainy teo tamin’ny 9ora maraina. Teo am-pisokirina io vanja io indrindra no niseho ny loza satria nipoaka tampoka izany ka nahavoa mafy io lehilahy mpitrandraka io ary nitarika ny fahafatesany izao. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandarimaria rehefa nampandrenesana ka nandritra ny fizahana natao dia nandray fepetra izy ireo amin’ny fandrarana ireo mpitrandraka vato tsy ampiasa vanja intsony.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







