Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Mandady ny trambo !

Mirongatra tanteraka ny fanafihan-dahalo miampy vono olona amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tsy iray na roa fa am-polony hatrany ny mpiompy omby sy fokonolona fantatra fa matin’ny dahalo saika ho isan’andro lava izao. Arakaraka ny mampanantona ny datim-pifidianana no vao maika mampafana ny tsy fandriampahalemana raha ny fanamarihan’ireo lasibatra. Toa misy ifandraisany mihitsy ny resaka tsy fandriampahalemana sy ny toe-draharaha politika rehefa atao ny fampitahana tsotsotra. Ny fanazavana mahitsy indrindra dia ahitana fa araraotin’ireo olon-dratsy ny fisian’ny goragora eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Fantatr’ireo malaso sy mpanakan-dalana tsara fa variana amin’ny fanaovana propagandy sy ny kajikajy samihafa ampandresena ny kandidan’ny antoko HVM ny ankamaroan’ireo olona mitana andraikitra ambony eo anivon’ny fitondram-panjakana. Dia manararaotra manao ny asa ratsiny ireo tsy mataho-tody satria tsy hisy ny fanapahan-kevitra maika hanenjehana sy namongorana azy ireo raha tsy any aorian’ny fifidianana any. Mbola fantatr’ireo jiolahy ihany koa fa efa voafandrika mialoha hisahana ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fifidianana ny ankamaroan’ny polisy sy zandary ka dia manararaotra mandripaka any amin’ny faritra lavitra andriana izy ireo. Tena sahirana ny mpitandro filaminana satria tsy afaka mizara roa. Andaniny ny fifidianana tsy azo avela satria raharaham-pirenena, ankilany anefa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany dia tafiditra tanteraka amin’ny andraikitra voalohany sahanin’izy ireo.

Misy fanazavana iray lavidavitra kokoa anefa mahita fa tena fanahy iniana mihitsy izao tsy fandriam-pahalemana izao entina hanakorontanana ny fifidianana sy ny sain’ny mpifidy. Ho mora kokoa mantsy ny mangala-bato rehefa mihorohoro ny vahoaka. Izany hoe karazan’ny atao takalon’aina ihany ny mpifidy mba hanamorana ny fanodikodinana ny voka-pifidianana. Raha ny zava-misy tokoa mantsy no zohina dia saika amin’ny vanim-potoana hisian’ny raharaha lehibe eto amin’ny firenena no tena mampirogatra ny tsy fandriampahalemana. Tsy misara-dalana amin’izany ihany koa ny disadisa politika sy ny fitakiana sendikaly etsy sy eroa.

Mety ho tombatombana ihany izany rehetra izany nefa rehefa tena zohina dia misy ifandraisany hatrany ny zava-misy. Hita fa tena sahirana ny mpitondra fanjakana amin’ny fifehezana ireny rehetra ireny ary tsapa ihany koa anefa fa tsy dia mivaky loha firy amin’izay fijerena ny maharary ny vahoaka. Porofo iray amin’izany ny fahitana mpitandro filaminana an-jatony mirongo fiadiana handrava ny fitokonan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite nefa ny fanendahana sy ny sinto-mahery efa lasa hazo fijalian’ny mponina rehetra eto an-drenivohitra mihitsy. Raha mba zarazaraina sy haparitaka isaky ny fokontany izao ireny mpitandro filamin’ny Emmoreg ireny dia inoana fa hihena ao anatin’ny fotoana fohy ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Na dia komando iray isaky ny fokontany fotsiny aza no apetraka hiara-hifanome-sandry amin’ny vahoaka dia ho foana ny fanendahana sy ny sinto-mahery amin’ny endriny rehetra. Tsy handray fepetra mikasika izany anefa ny mpitondra noho ny antony izay tsy mbola nisy nitondra fanazavana hatreto. Rehefa ny sezan’izy ireo no voaozongozona dia mahita miaramila alefa hanao hery famoretana ny fitondram-panjakana fa rehefa ny vahoaka no matin’ny jiolahy dia tsy ampy isa ny mpitandro filaminana. Tena manao ny asany tokoa ireto farany saingy eo amin’ny fomba fanirahana azy ireo no toa misy mizana tsindrian’ila. Toy ny tompony mangataka atiny hatrany ny vahoaka ka rehefa tsy mahavita miaro ny tenany dia matin’ny olon-dratsy.

Tena mandady ny trambo ary marobe ny jiolahy amin’ny endriny rehetra eto Madagasikara. Malemy ny fitondram-panjakana manoloana ireny ary tsy manana paik’ady mazava entina hanomezana vahaolana maharitra. Ny hivarotra ny orinasam-panjakana amin’ny vahiny no mahamaika nefa ny tsy fandriampahalemana efa tena tsy zakan’ny aina intsony.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre